Hery - Tsiky dia ampy

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)..

Tsy kely lalana ny ratsy

Site-n'olona iray tantanako tao amina serveur manokana (vps) tao amin'ny Contabo. Ny mot de passe root dia tena sarotra, ny mot de passe mysql an'ilay site koa sarotra. Tsy nojerena elaela ilay site. Elaela taty aoriana, nahazo hafatra hoe tsy mandeha angaha ny site? Nojerena dia tapaka ny base de...

Hamaky bebe kokoa

Siteny, Karana, Sinoa

Ny fankahalàna mihatra amin'ny Karana, Sinoa na vahiny hafa manana zom-pirenena malagasy, izany hoe nifidy ho Malagasy, no matetika manjo ny mpila ravinahitra maro nifidy hizaka ny zon'ny firenena ipetrahany. Ny Malagasy nifidy ny zom-pirenena frantsay na italiana, lazaina fa mangalatra ny ...

Hamaky bebe kokoa

Gaëlle utilisait-elle le conditionnel ?

Que des révélations ! Efa samy nahita ny filazan'i Gaëlle Borgia mikasika an'ilay fisamborana tanora nataon'ny fitondrana tamin'ny herinandro iny angamba isika. Amin'ny maha mpanao gazety azy dia manana loharanom-baovao izy, izay inoana fa tsy holazainy. Notateriny ny filazan'ir...

Hamaky bebe kokoa

Vokatry ny fanenjehana an'i Fanirisoa

Hiresaka politika kely fa anisan'ny antom-pisian'ity blaogy ity koa izay. Manana lahatsoratra maromaro miresaka politika rahateo aho ato  Somary mafampana ny raharaham-pirenena amin'izao, hita taratra amin'ireo mpitondra tenin'ny fiarovam-pirenena niantso fitoniana androany. Tsy nodian'izy ire...

Hamaky bebe kokoa

HymnAll - Raki-kiranao manokana

Tsapako tato ho ato fa betsaka ny Antoko mpihira mampiditra ny hirany ao amin'ny site Tononkira Serasera. Eo ihany ilay hoe fizaràna tononkira, fa ny tanjona koa dia ny mba hananan'ny mpihira ao aminy application hampitàna sy hamakiana ny tononkirany. Ny olana dia na ny hirany fotsiny ...

Hamaky bebe kokoa

Teny amin'ny volana

Nigadona androany tety an-tany ry zareo astrônôty nihodina kely teny amin'ny volana. Tsy nidina ry zareo fa nitazan-davitra fotsiny... ary io fitazaman-davitra io no nahatonga azy ireo ho olona nandeha lavitra indrindra ny tany (ka niverina) hatreto. Ireo teny amin'ny volana sy nidina te...

Hamaky bebe kokoa

Fomba fampidirana sary

Toa ny teo aloha, ny sary apetraka eto amin'ny blaogy dia azonao alaina avy any amin'ny toerana hafa na koa ampidirinao avy ao amin'ny ordinatera ihany. Ny sary rehetra dia voatahiry ao amin'ny Rakitsary. Ny fampidirana sary dia azo atao mivantana avy eo amin'ny fampidirana lahatsoratra (sary eto am...

Hamaky bebe kokoa

Mbola manamboatra

Eo am-panavaozana tanteraka ny blaogy.com isika amin'izao fotoana izao. Novaina tanteraka ny fitaovana ao anatiny. Amin'izao dia mampiasa ny fitaovana miasa amin'ny site-n'ny serasera rehetra tahaka ny tononkira.serasera.org sy ny vetso.serasera.org sns ny blaogy.com. Noezahina notehirizina ireo lah...

Hamaky bebe kokoa

Ambany vahoho

"Sous emprise" indray no film malaza kely ao amin'ny Netflix. Efa ela aho tsy nahavita film hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany fa ity mba vita, na dia natao in-telo miantoana aza. Ary tamin'ity koa vao naharitra tsy nitady info tamin'ny Wikipedia mikasika ny tena tantara raha tsy vita ila...

Hamaky bebe kokoa

Izany ny olona rehefa sady miasa no milalao :-)

Mpanaraka an'ity sary ahetsika (animations) ity aho, efa nahita ny 1 sy ny 2 (ny 3 tsy tadidiko). Fa androany aho dia tonga saina hoe tena sady milalao izany ilay bandy ity no miasa. Araka ny nolazainy dia 11 volana izy no nanao an'ilay sary ahetsika, teo amin'ny 700 ora mahery teo. Ary tena ataony ...

Hamaky bebe kokoa